Ampidiro aloha ny tenimiafina
FANJA SY MOZIKA (AORN)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo nantsaina ho an'i Fanja Andriamanantena, izay isan'ny andrarezina amin'ny mozikaDimbiasanao ny hira
ireny tononkalo
toa vita tsy natao
ka nentinao nitety
izato lafivalo
nahatonga aina vao
Fa kanto koa raha kanto
lay lantom-peo miangola
arahanao mozika
Ny tonony mambabo
Lay rotsy mampidola
Feo manga tsy mipiaka
Fa Fanja Nofy koa
lay ainga nampiaina
Fanahy toa mpankafy
Ka any am-pon'ny maro
Voarakitra any anaty
Ny angolan'ny fitia
Mozika ka mozika
Toa fiainanao mihitsy
hatramy fahazaza
Dia ny hafa no hamita
zay 'tsy efa' mbola miandry
tsy mety lefy laza
AORN
16 APRILY 2025
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
rina15
Commentaires
rina15
(
05/06/2025 11:13)
Mankasitraka hatrany Ikalamako a!!
