FIAINANA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafaliana tsy omby tratra
Rehefa misy fahombiazana
Toa mikombona ny ratra
Tapa-tady lay nogiazana
Ravoravo ny fanahy
Ka milamina ny saina
Dia nisinda ny ahiahy
Mahafinaritra ny miaina

Fa alahelo sy hakiviana
Rehefa hivadika ny rasa
toy ny sarak'olon-tiana
Ka any anaty no voalatsa
Tebiteby tsy hay fefena
Ka manonja tafahoatra
Olan-dava sesehena
Ka ny loha no te hitroatra

Saingy izao no tadidio
izay ilay fiainana eto an-tany
Mety ho faly ianao anio
fa rahampitso mitomany
Ny fanahy izay tsara tefy
mahatoky ilay Tsitoha
dia mahay mamari-drefy
Hampilamina ny fo

AORN
09 JOLAY 2025
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
184 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0514