FIARAN-DRASANJY (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao mangiran-dratsy dia io miraondraona 'lay fiaran-dRasanjy
Hitondra Mpivaro-mandeha ho eny an-tsena zay dodona miandry
fa io no mba fiara mpitatitra tokana avy ao an-tanàna
Ka ifanotofan'ireo zay te hiakatra tsisy raràna

Dia indro mampiditra ireto mpandeha zay namonjy laharana
'reo enta-mavesatra akarina ambony efa nifanarahana
satria moa ny tanjona tsy misy ajanona fa samy lasa
ny zaza madinika atao ampofoana idiran'ny hafa


Rehefa tafiditra ny olon-drehetra hanainga ny fiara
Natao topi-maso ny iray mihodidina hilamina tsara
dia indro Rasanjy mandray familiana ka roso ny dia
fa mbola tsy mora ny handeha lalan-dratsy amy fiarakodia

Raha sendra fidinana dia mitsaitsaika sao tapaka hisatra
Mitandrina tsara mijery reo lavaka sao mibolisatra
Mpandeha sasantsasany toa mitaintaina matahotra ihany
Fa sao sanatria ka mivarina an-kady mankany mankany

Fa rehefa lay sendra fiakarana koa moa izato fiara
manetroka be tsy hifankahitana ka tena tantara
Rasanjy amin'io efa zatra an'zay ka mizotra tsy taitra
Fa ny olona entina raha tsy mahazaka no mikaikaika

Dia adiny dimy eny an-dalana ihany manomboka àna
ampian'ny masoandro manjemby ny tena mitondra hafanàna
Ny ankizy no betsaka tsy mahatanty ka velon-taraina
fa maro amy reo no tsy nihinan-tsakafo efa hatramy maraina

fa ela ny ela, dia indro fa tonga lay fiaran-dRasanjy
dia faly sy ravo ihany koa reo mpandeha zay tsy tafandry mandry
dia midina sady mandoha saran-dàlana tsisy mitsoaka
satria ngahy Rasandy saofera itokisana mamim-bahoaka

AORN
25 MARTSA 2020
--------
Lien:
143 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0135