Ampidiro aloha ny tenimiafina
FITIA MANADALA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Va tsy faka lalim-pototrasa dia teny efain'ny molotra
fa raha ny hita sy ny tsapa
dia fitiavana miambaka
tsy mipaka hatrany anaty
misy hadiry fa poak'aty
Va tsy tady fato-maty
sa ny fo no avela hitaty
fa ilay toky izay nomena
hay naningotra ny tena
feno fitaka sy abobo
sadasada maro loko
Eisy e!!!
AORN
14 JANOARY 2023
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
rina15
