RY TAKARIVA MIAVAKA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry takariva miavaka, iriako tsy ho tapitra
Hifaly indray ny foko fa anivon'olon-tiana
Meteza ianao hateza sy ho tontolo mahafinaritra
ka higoaka fahasambarana no tena faniriana

Ry takariva miavaka, hamborahako tsiahy
Milamina ny saiko fa tsy misy hanoha randrana
Tomoera foana ihany, hampitony ny fanahy
fa andro tsara ianao ka nahitako fahombiazana

Oay?
Ry takariva miavaka... fa dia nahoana loatra?
Nalefanao ny alina, dimbiasan'ny maraina
Hanomboka eto indray ireo disadisa mampitroatra
Hiatrika ady sarotra zay mampiferin'aina

AORN
23 MAI 2024
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
196 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123