FOMBAFOMBA SISA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gaga tam'ise ahoraha sendra nahare
lay resaka nandeha
hoe raha ny momba ahy
dia fombafomba sisa
fa efa hadiva ho vita
fa mahavaky fo
lay momba antsika roa
hitsahatra tokoa
ka any an-kafa indray
ho handrenesam-peo
zay zavatra miseho
Torovana ny saina
mangotsoka ny aina
satria dia very maina
ianao lay tsy mitsotra
manafina eny foana
mandavana ny taona
Raha toa ianao tsy tia
dia tsy ahitana fy
ny fo tsy hifangia
ka iangaviako monja
handeha ka tsy sakanana
malalaka ny lalana
AORN
14 MARTSA 2019
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana
