FONY ISIKA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony isika nifandray
Satry foana hifankahita
Satry foana hifampijery
Saingy tonga ny andro iray
Niala maina samy vita
Samy te handeha irery

Fony isika niara-nioty
Lay fitia vao vaky Felana
Satry foana hifangia
Fa lay zatra ngotingoty
Toa nandalo dia niserana
Torotoro ilay fitia

Fony isika nanantena
Fa hiaraka ho doria
Hafaliana lalim-paka
Ankehitriny mihenahena
Fa misaraka ny dia
Ny alahelo no tsy zaka

Iza moa no nanampo
Fa ny toky izay nomena
Azo lavina any aoriana
Sitrapo ny antsika roa
Samy nahatoky tena
Kanjo tojo ny hakiviana

AORN
13 OKTOBRA 2023
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
62 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151