GASY HONO IALAHY (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gasy hono ialah(y) ka gasy
Gasy lay be manaiky
Tsy manana isafidianana
Mirona am'zay hananana
Fanjakana manao ny ataony
F’elah aza tsy tsaroany
Mivaro-tany am’reo karàna
Eo elah d’efa mihanahana
Ny taratasy efa vita avy any
Eo vao gaga mifanontany
Hay ny resaka efa mandry
Zay elah vao manangan-tsandry
Raha vao mihetsika mba hiady
Reo "Bebaoty" efa eo sahady

Gasy hono ialah(y) ka gasy
Gasy be fandeferana
Tsy manana mokon-doha
Kanefa be hambom-po
Ny "Fahefana" tsy tan-dalàna
Zay mba zo nefa ity raràna
Dia tapahany tsotra zao
Ny herin’aratra ho anao
Hay ny tanjony raha jerena
Dia handetika ny an’ny tena
Te hamarotra ny an’ny hafa
Ka ny gasy no hatao mijafa
Saingy elah moa manaiky foana
Midingin-drambo ry mamba noana

Gasy hono ialah(y) ka gasy
Toa gasy mitabataba
Tsy manana lazon’ady
Mora reraka raha mitady
Ny vahiny ‘zao no manjàka
Efa mihevitra ho tompon-daka
D’io elah f’eny antsisi-tosy
Mila ho tola, mikororosy
Izy indray no manao lalàna
Dia mamaritra ny tanàna
Rahoviana vao (ho) tonga saina?
Mifohaza! aza be taraina
Mahasahia, aza havela hibanaka
Mila hongotana reo mpanjanaka

AORN
26 JONA 2024
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
54 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 24/09/2024 09:13
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151