HAZO FIJALIANY (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe nambarany ahy
Fa tsapako avy hatrany
lay hazo fiajaliany
Fa fony Mbola kely
Ny aretina nitaiza
Tsy maintsy niafiany

Nandeha ny hatanorany
Fa tsy mba nisitrahany
Zay nositrahan’ny hafa
Fa latsa sy eson-teny
Raha mba nandray anjara
Nataon’ny mpanatsafa

Ankehitriny indray
Dia tokan-tena irery
Fa nosaraham-bady
Nahita tsara soratra
Lay tiany izay notiaviny
Dia lasana sahady

Ny zanany aza moa
Vao kely menavava
nilaozan’ilay reny
Tsy misy fo mitempo
Na saina kely akory
fa lasa tsy an-kiteny

Kanefa moa 'ty ray
dia miezaka mitraka
Miatrika ny adidy
Zakainy foana ihany
lay hazo fijaliany
Mafaitra sy mangidy

AORN
19 OKTOBRA 2019
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
114 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146