HIARA-DIA MANDRAKIZAY (AORN)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny akia malala a,tsy miafina amintsika
fa mbola lavitr'ezaka lay "andro mibaliaka"...
dia izao koa no tsarovy...
aza atao mahasakana izay fomba tsy mitovy...
Ny fomba nitaizana
samy tsisy diso fa alaina an-kamorana...
Ny toerana niaviana:
samy manan-danja ho an'ireo fianakaviana...
Ny lalana nodiavina
mety tsy hitovy nefa azontsika haravina
Fa ny mampiray?
isika nifanaiky ny hiara-dia mandrakizay
AORN
04 FEBROARY 2022
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
