I NENY (AORN)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny,
Fantatro ny fihafiana
Niaretanao fahiny
Raha mba nanam-paniriana
Ireto zanakao dimy...

Ny lahimatoa toa rovi-damba
Tsy mba nanana hanoloana
Pataloha voatampi-jaitra
No efa nentiny aman-taona

Zato vaviaivo kosa
Mila boky mba hianarana
F’efa bedy tan-tsekoly
Lay mindrakindrana amy namana

Fa lay lahy manarakaraka
Midongy kapa tsaratsara
F’efa tena rotidrotika
Lay tao ambany farafara

Fa ny tena manahirana
I Faralahy midongy lava
Ka mitaky tsisy farany
Sady miaraka amy vava

I bozy kely an-trotroina
Vao tsy minono dia tomany
Tsy nahasaraka amy Neny
Ka lanjaina eny ihany

Saingy teny foana I Neny
Tsy nikoso-maso hatrany
Namaly ny hetahetan-janaka
Na dia arahana tomany

Mbola hafa ianao ry Neny
Mahay mihafy na dia lanaka
Fa ambony mihoatra lavitra
Ilay fitiavanao ny zanaka

fa tsaroako hatrany hatrany
Lay anatrao madinidinika
“Ny hatanorana handalo ihany
Ka mahaiza ianao mandinika”

Ho tahiana anie ianao
Ry Neny tsy mba nialangalana
Fa matoa aho toy izao
Dia teo ianao nanolo-tànana

AORN
26 MEY 2018
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
214 1
Fans: rina15
Commentaires
rina15 ( 17/08/2024 16:10)
Antsa miangola manakanto lay tononkalo
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 21/02/2024 14:43
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016