I NENY SY NY FONY (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Odianao tsy tsaroana reo ketoky ny jalysy vesatry ny sento izay nanakely ny aina
ho tombontsoa ho anay, lay zanakao maditra
ry Neny mamy indrindra
Kanefa tsisy sitraka nasetrinay izany
fa mainka hatezerana rehefa mba tsy vita
na misy fahataraba, ilay sakafontsika
narosonao ho anay...
tsy hoe izany ihany, fa mbola tabataba
no anehoan'ny Dada, raha toa tsy vitanao
ny fampiriman-damba sy fanadiovan-trano
dia izay no lasa angano...
Ka tsapako androany, fa hay ka tsy mba sasatra
mitolona ady irery, ianao ilay tena Reny
miahy anay hatrany....nafeninao izany!
satria ny tanjonao, dia ny mba hanafaly
ireto ankohonana, tsy sitrakao hijaly...
Mifona sy mivalo re ry Neny tiana a!
Fa hay an-taona ianao nitondra fahoriana
Mba hisambaranay...
angamba any aoriana a, raha tsy eo intsony ianao
ahoana no ihatrehana raha tojo toy izao?
Isaorako hatrany ny Ray 'zay ao ambony
Niahy ity Reny mamy, nanda 'lay ambom-pony
AORN
17 MARSA 2018
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
