IANAO (AORN)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Haiko loatra raha ianao
Vita lasitra ato am-poko
Fa ny tsiky sy talaho
Vita sary maro loko

Tena fantatro ianao
Na misento na tomany
Tsisy toetra manavao
Nefa Mbola tiako ihany

Tena mamiko ianao
Na dia manahirana aza
Efa tsapako hatrizao
Lay fitia tsy lefy laza


AORN
16 SEPTAMBRA 2007
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
587 1
Fans: rina15
Commentaires
rina15 ( 27/02/2026 06:07)
mankasitraka Ikalamako!!
ikalamako ( 27/02/2026 20:18)
am-pifaliana be foana r'ise a.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 29/04/2024 13:07
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0285