IANAO EFA HO ADINO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala,
tsy haiko raha mbola fitiavana
no ilazana ny ifandraisantsika
sa ahoana lay tiana ahatongavana
fa ianao toa manao tsy hitahita
Milaza fa rempotra foana
no sady tsy mandray antso
efa mila hampiteny ny moana
ny fitadiavana anao tsy an-kiato
fa mahavalalanina anefa
jerena ao anaty fb
ty ianao dia mazoto manoratra
sy mahavita mi-commente
fa rehefa mba ataoko "coucou"
mody fanina ka tsy mamaly
sa tsy misy amakianao loha
Fa avela aho mba hijalijaly?

Malala,
tsy haiko raha mbola ho tohizana
ty fitiavana toa saritsariny
ny saiko manomboka vizana
ianao tsy mahatsapa ny harariny
aleo ho faranana hatreto
fa toa mankarary ny foko
taperiko androany zay sento
sy alahelo mahatonga toloko
tsy hi-insiste anao izany intsony
tsy handany fotoana aminao
ny morale no ataoko ambony
tsy hitady aho no tsy hitalaho
any ho any mba misy tia ahy
tena tiako no sady lalaiko
ny fitiavany tsy mampanahy
fa ianao efa ho adino ato an-tsaiko

AORN
09 JANOARY 2011
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
245 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 25/08/2025 12:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0134