IANAO NO ANTENAIKO (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray o!
Mba lasalasa ihany
Ity saiko adaladala
Ka manontany tena:
Nahoana ary aho no "ary"
Kanefa fijaliana
No entiko am-babena?
Sa nisy tany aloha
Zay sahy nanota fady
Nanao fanahy iniana?
Ka ozona no sarany
Ho an’izay taranaka
Miantra aty aoriana?
Sa misy fisedrana
Asetrinao ny tenako
Hitsapa ny finoako ?
Ka tena fafy katrana
Ny jalim-pahoriana
Izay miovaova loko?
Na koa ve valin’ota
Zay vitako hatrizay
no sazy izay hefaiko?
Ka mila tsy ho tanty
Ireo ratsy mifanesy
Miantraika hatramin’ny aiko?
Fa ny hevitrao ry Tompo
Toa lavitra takarina
Tsy hita hovisaiko
Fa ny hany fiononako
Raha Mbola velona aho
Ianao no antenaiko

AORN
17 Jona 2021
--------
Lien:
Catégorie : VAVAKA
74 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146