ILAY TIANA MIANGOLA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny vatako toa volivolydia niakatra ny tosi-dra
naheno lay feonao miangoty
nandrehitra ny aty fanahy
fa mainka vao tsy aritro koa
lay molotrao malefadefaka
lay ba an-takolako roa
Nandemy tsy afahako nihetsika
mba inona loatra ary ianao
no tiako tsy nisy alaharo
sa ody fitia vaovao
Ankafiziko anatin'ny maro
Ny foko va re no malemy
Manaiky tsy miady toa tola
ny vavako tsy afa-niteny
fa sendran'ny tiana miangola
AORN
18 OKTOBRA 2017
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
rina15
Commentaires
Mathes
(
15/04/2026 14:18)
Izay tia adala
rina15
(
15/04/2026 14:50)
loza mihitsy!!
