KARMA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa hono ho'aho r'ilay mpisoloky fitia
Zay mbola mihaody sy miriaria
tsy menatra akory ny mampanantena
fitiavana sandoka tsara jerena
Fa rehefa fotorana lainga sy fitaka
Mody milamina hay savoritaka
Vavany fotsiny mipetsopetsona
fa ny ao an-tsaina dia te hampiesona
Mbola ifotoroan'ny todim-pitia
K'andana mikisaka lavitra ery

Dia hono ho'aho r'ilay mpisoloky fitia
mihevitra mantsy fa be mpankafy
Mitetika hahazo mamiratra hatrany
tsy tahotra tsy henatra ny manambany
lay fo efa babo toa ratsiratsiana
tsy tsapa mihitsy lay fampahoriana
dia mandatsalatsa rehefa mba tiana
Ho tojon'ny nenina rehefa aoriana
izahay koa mahatanty zay dona miseho
dia aza be resaka fa mankaleo

Fa hono ho'aho r'ilay mpisoloky fitia
zay fatra-panao fiatsaram-belatsihy
Hanarina foana fa tsy mety miova
dia hanan-taranaka hisy mpandova
Ny tody hoe tsy misy ny atao no miverina
Ka sao any afara vao latsain'ny nenina
Ny fara sy dimby no hitaty ny vokany
Sendra lehilahy toy ny atody lamokany
Mieritrereta raha mbola misaina
fa ny karma dia miantraika aman'aina

AORN
07 NOVAMBRA 2016
--------
Lien:
Catégorie : FITAKA
269 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0138