'LAY TOKAKO INY TOMPO (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘Lay tokako iny Tompo,
Hombao ny fitahiana
Fa mbola tsy hay visaina
Ny lalam-paniriana
Dia atoroy ny làlana
Zay mety sy sahaza
Na efa ampy taona
Dia mbola tena zaza

‘Lay Tokako iny Tompo
Tolory fahendrena
Raha sendra izay safidy
Dia mbola mihenahena
Tsy mbola tena fantany
Zay mety mahasoa
F’izay mirentirenty
No masaka ao an-doha

‘Lay tokako iny Tompo
Beazo hahay hiaina
Raha tojo zava-tsarotra
Tsy mora mitaraina
Tsy azo vinaniana
Ny sedra mbola handalo
Tolory saina hendry
Tsy ho diso fahavalo

AORN
07 OKTOBRA 2019
--------
Lien:
Catégorie : VAVAKA - Fiainana
271 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0126