LAZAO AZY HOE:.... (AORN)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa ianao fa hitako dia araraotiko ihany
Hitondra ireto hafatra mba ho entinao mankany

Lazao azy hoe: fa inona no ratsy vitako azy?
no avy dia manjavona sa kosa manasazy

Lazao azy hoe: nahoana ianao no tsy mandalo intsony?
Sa efa olon-kafa no mahasarika ny fony

Lazao azy hoe: tsy izaho no tsy mamela an’azy hitia
Raha toa ka any ho any misy tiany sady tia

Lazao azy hoe: tsy hanenjika aho raha misy mahaliana
Fa rehefa hoe tsy tiany aho dia hiezaka ny hangiana

Lazao azy hoe: mba tiako raha milaza izay mba marina
Fa lay mihiboka any ianao dia sarotra fantarina

Lazao azy hoe: mitsora f’aza be sangodipanina
Fa raha ilaozany aho, any an-kafa indray manarina

Lazao azy hoe: fitiavana tsy azoko terena
F’izaho afa-mandefitra no sady tsy tia tena

Ka..soa ihany ianao fa hitako dia araraotiko ihany
Lazao hoe: tsofin-drano ianao tsy arahany tomany


AORN
14 FEBROARY 2009
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
468 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 29/08/2025 05:09
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0222