MALALAKO TSY FANTATRO (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanintona ny jeriko
Lay endrikao niserana
Nandalo teo anilako...
Fa rehefa lasa lavitra
Dia niaraka nitodika
Nifampijery kely
Niaraka nitopy
Lay masontsika roa
Dia nientana ny fo
Ka ny vatako avy
No tonga nangorintsana
Sy toratora-kovitra...
Ny hatsembohako aza
Toa nipatrapatraka
Namonto zany tavako
Fa tia anao rahavako...
Babo tena babo
Ny saiko manontolo
Fa fenonao daholo...
Mba rahoviana indray
No mety mbola ho hitako
Antsefantsefan-dalana
Ianao r’lay malalako
Malalako ato an-tsaiko
Malalako tsy fantatro?

AORN
30 AOGOSITRA 2012
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
108 2
Fans: Nikalo - rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151