MBA TE HO... (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba te ho PM mafy Rakoto
dia io mikorapaka mitotototo
fa ao moa lay itoeran'ny ady clé
ka rehefa mba azo io milamina be
dia hatao izay rehetra hampalaza ny tena
Manao asa soa, dia mitety ireo tsena
mba te hisongadina sy fanta-daza
Hajain'ireo olona, hatramin'ny zaza

Mba te ho Minisitra ikala Voahirana
Dia iny fa miova manao miramirana
Mila miresaka mangingina
Amy ny olona ambony efa zatra vidiana
Dia atao matavy ny anaty CV
satria raha tsy izany dia ho sarotra be
Raha ireo mpifaninana mafy avokoa
K'aleo ny an'ny tena ampiasaina ati-doha

Mba te ho SG koa ry Menja Vololona
F'izy hono nafana fo tamy tolona
dia dingadinganina ny ao am-piasana
zay loto rehetra tsy maintsy fafana
dia io fa mifosa reo namana akaiky
Manao tsara resaka mba tsy ho taraiky
Izy hono mantsy mba sangany ihany
Raha mihoatra amy ireo: tsy manaiky ho ambany

Mba te ho Tale koa Razaka Nirina
fa mpiasa tranainy ka liana dia liana
atao zay rehetra tsy asan'ny tena
iry sakelehana, iretsy babena
Ny asany anefa amin'io Comptable
saingy raha lasa amin'io mba "stable"
dia eo fa manomboka tsy hiteny gasy
Satria raha Tale dia tsy maintsy hoe "Classe"

D'izany sy izany ny aty an-tanàna
izay te ho tafita : mandika lalàna
ka izao no mba hafatro ho anao ry sakaiza
Ny kifetsifetsy tsy mandeha mankaiza
Satria ho tsarain'ny karatra eny ihany
Ireo olon-kapotsaka sy be vinany
K'aleo mba andeha amy lalan'ny marina
Ny olo-mahay tsy mba saro-pantarina


AORN
10 FEVRIER 2026
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
14 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 11/03/2026 08:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0299