MENAKY NY AIKO (AORN)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro tsinjoko ilay sombinaina
Fa mitombo miandalana hatrany
Dia mivoatra ny fo sy ny saina
Fa ny tahotra Mbola eny ihany

Io mijaiko sy mandadilady
Te hiroso kanefa manahy
miherikerika sady mitady
Te hitroatra fa Mbola tsy sahy

Lay fijery toa mangasohaso
Efa zatra nokolokoloina
Dia mandinika manaramaso
Ka midongy sy miandry ho trotroina

Io lay menaky ny aiko tsy foiko
Tena tiako sy mamiko ery
Ho beaziko, ho kolokoloiko
Mbola lavitra mantsy ny dia

AORN
18 febroary 2024
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
164 1
Fans: rina15
Commentaires
rina15 ( 25/07/2024 06:51)
Kanto lay nantsainao azy e! Misaotra Hery!
hery ( 25/07/2024 18:16)
Tsisy fisaorana e 💗
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 21/06/2024 03:19
Lectures
Lu par hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162