MENDRIKA IANKOHOFANA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mendrika isaorana
Mendrika iankohofana
Fa Tompo lehibe
Ilay Tompo iray Tsitoha
Nampisy ny mazava
Ny andro sy alina
Nandrafitra ireo kintana
an'alinalina

Fa zovy moa ny hery
izay afaka mamorona
izao tontolo izao
fa ny hany tokana
sy manam-pahefana
Lay Ray an-danitra
Lay tia tsy mba mandao

Ka na ny Zanany aza
nirahiny tety
Ilay nandidy antsika
rehetra hifankatia
Nanolotra ny ainy
Hamonjy ny olona
zay tiany sy lalainy
nanaiky ho sorona

Fa mendrika isaorana
Ny Ray sy Zanaka
ary koa ny Fanahy
lay Andriamanitra

AORN
06 AOGOSITRA 2018
--------
Lien:
Catégorie : FIDERANA
216 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0134