MITROATRA TSY TANTY (AORN)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Banjinina soa madimadina
Tomefin’ny hatsaran-tarehy
Ravahan’ny tsiky malefaka
Dia indro fa mientana anaty
Fa mila hitroatra tsy ho tanty

Topazako alavitra kosa
Lay kanto marevaky ny aiko
Tsipalotra sendra mandalo
Dia iny fa midobodoboka
Lay fo tsy nahatanty fa roboka

Refesiko an-tsaina miserana
Fa saingy tsy takatra alaina
Folaka ihany ilay tiana
Ka tretrika ny ati-fanahy
Mirehaka lasa tsy nahy

AORN_10 desambra 2023
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
195 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 12/12/2023 10:29
Lectures
Lu par hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155