MPINO SADASADA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy mpino sadasada, manantsoratra, hafahafaTsy mihambahamba akory, mampiteny ny anarany
Dia mamory filankevitra no sady manatsafa
Ny Mpitondra fivavahana heveriny ho ambaniny
Izy hono matretre, ka mahazo misafidy
'Reo zay olona hitondra sy hitantanana Fiangonana
Ka ny vola no ampiasainy mba ho fanefàna adidy
Zay tsy miditra am'zay, kotabaina sy rahonana
Dia mangina tsy miteny 'reo mpiandraikitra ifotony
Satry moa hahazo kely ka manaraka tsy fidiny
Izy ireo mba nianteherana toa tsy taitra, tsy sarotiny
Ka ny iray fiangonana avy no mizaka izany ngidiny
Rehefa tonga ny alahady, dia tsy maintsy isaina toerana
Ka na hipoka aza ny eo, tsy hipetrahana ny sezany
D’efa mampiteny moana ny vola sy ny fanaperana
Izy no manjaka tokana amy saina sy letrezany
Miambo ery hoe tena Mpino saingy tia manandra-tena
Nefa anaty inoana marina fa tsy vonona hivavaka
Zatra tia mizahozaho, sy manao tsindry hazo lena
Fa raha resaka am-panahy, mitrotrongy anaty lavaka
Misy mpino sadasada, manantsoratra hafahafa
Ka am-bava fotsiny ihany zany hoe mino an’Andriamanitra
Fa ny tena imasoany dia maneso sy mitafa
Lavitra azy aloha hatreto raha ny fanjakan’ny lanitra
AORN
25 NOVAMBRA 2017
--------
Lien:
Catégorie :
FINOANA