NEFA IO JESOA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray tsy tonga sainaRehefa injay miantra aman'aina
Ny vesatry ny hakiviana
Na sendra tojo fahoriana...
dia lasalasa ny ambiroa
Mamisavisa koa ny loha
Atao ahoana no fialàna
ity fijaliana ity mazàna
nefa io Jesoa mijery ahy
mangata-maso toa manahy
Fa te hibaby ny entako
zay mila tsy ho zakako
Fa io Jesoa manantona ahy
ilay tompon'ny halemem-panahy
izaho no jamba tsy mahita
fa jambena te hiampita
mikaroka etsy sy eroa
hitady hery hafa koa
I Jesoa no hany tokana
Mamaha ireo fatorana
sady izy koa no lalana
Hitondra ilay fiadanana
Koa antsoy izy hanampy anao
na inona inona atao
izy no vahaolana
sy apinga isalorana
AORN
03 JANOARY 2023
--------
Lien:
Catégorie :
FANANTENANA
