NOFY MAMPANGITAKA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofin-tsasak'alina
tanaty maizim-bolana
lay nahitako anao...
sarakorakom-bolo
fitafy rotidrotika
tarehy toa mangamangana
ny maso toa tomany...
dia hita miady saina
no sady maminany...
hoe lanitra sa tany ?
satria afara ao
dia voary mampatahotra
toa aloka manenjika
tsy ahitana endrika
no mifamahofaho...
Fanahy mitady hanimba
ka manazimbazimba
'lay maha ianao anao

Avy eo dia nisy nihazona
ny sandriko an-kavanana
nanofokofoka ahy
Hoe "mba mangiana aloha!"
Hay zaho nandritra izay
Nikiaka nikotaba
no sady fokofoko
Nanala ny ao am-poko
Hay.. nofy mampangitaka
sy embona mamitaka


AORN
14 APRIL 2017
--------
Lien:
Catégorie : Ahy
353 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0194