NY MANGIANA ATAOVY FADY (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza resy tsy mba miady
Manoloana ny tsy rariny
Ny mangiana ataovy fady
ndrao hanenina any am-parany

fa ity tanintsika ity
tsy natao ho an'olon-dratsy
izay miatsara ivelan-tsihy
Nefa lomotra any anaty

fa ity tanintsika ity
tsy hanangonana harena
reo milaza ho tena tia
nefa manamoky tena

fa ity tanintsika ity
tsy natao hampahoriana
Reo mosarena sy malia
zay mety ho hafa fihaviana

K'aza resy tsy mba miady
mitsangana mahasahia
Ny mangiana ataovy fady
fa mbola lavitra ny dia

AORN
03 MARTSA 2025
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
184 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124