NY MARINA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy marina efa fantatra fa ezahana ampangininaMisy marina tenenina, fa niniana ho disoina
Misy marina mitoetra, tsy zaraina fa fihinina
Misy marina miseho, fa hahetry sy lotoina
fa raha tena hiseho ny marina, maromaro no hisitrika
Fa raha tena hiseho ny marina, sesehena ireo voapanga
Fa raha tena hiseho ny marina, ny tontolo hisavoritaka
Fa raha tena hiseho ny marina, zavatra hafa no hitranga
Raha ny manampahefana no manafina ny marina
Nefa koa tsy sahy mijoro, ny sampam-pitsarana misy
Mandram-pahoviana indray ny vahoaka no tafarina
fa dia kolikoly lava no hiainana ...indrisy
AORN
18 MARTSA 2023
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina
