NY VEHIVAVY (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia an-tendromolotra
Tsy vokatry ny fo
No sahinao natolotra
nataony ahoana moa?

Dia fitaka sy lainga
Laroina hafetsena
No nentinao nanainga
Ny sainy nanantena

Dia faly ery ianao
Mitety voninkazo
Fa zay serananao
Hoe maina sy malazo?

Fa moa ianao impiry
No hahatety zaridaina
Fa ho avy ny hirifiry
Ny vatanao hangaina

Fa kapain-tsy hita fery
No lokalokanao
Ny lazanao ho very
Ny loza hitatao

Ny vehivavy mantsy
Voafitakao anio
Kanefa lava fantsy
F’izay no tadidio

AORN
07 MARTSA 2024
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
133 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143