RAORIHAVAMANANA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Tsy levon'ny vavonikotsy eken'ny eritreritro
ny hahita anao hisongona
sy hiakatra amy dingan'ireo
mpanampitrisa...
nahoana kosa moa
ianao zay niara-nihosona
sy niara-nilomano
tanaty tsy fisiana;
ianao zay niara-refona
sy niaraka niforitra
nandrango fitsitsiana,
no ho tafita tampoka?"...
dia toy izany hatrany
Ny saina sy ny toetra
hananantsika gasy
f'ireo zay mba misondrotra
sintonina tsy hiakatra
fa raha ny sitrapo
lavoina mba ho sasatra
Satria isika mihitsy
No ory hava-manana...
Matetika aza moa
tsy raharahiana intsony
izany finamanana
ka hitadiavan-kevitra
mba hamongoran'aina
tsy misy fanavahana
Rahoviana vao tafarina?
Ny toetra aloha amboarina e!
AORN
23 APRILY 2021
--------
Lien:
Catégorie :
FIALONANA
