REHEFA TENA TIA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba fantatrao malala?
Fa rehefa tena tia…
Dia toy ny jamba an’ala
Mandeha tsy miandry tantana
tsy mahalala akory
ny fandrika sy sakana
zay mety handrendrika azy
Hanakana ny dia

Mba fantatrao malala ?
Fa rehefa tena babo…
Dia toy ny voronkely
Misidina tsy miato
Zay tsy mba taitra akory
mihoatra riam-bato
fa ny ao an-tsainy kosa
mananika ny avo

Mba fantatrao malala?
Raha tojo olon-tiana…
Dia toy ny loharano
Miboika mikoriana
Ka tsy hahasakana azy
Zay mafy niafiana
dia sambatra raha sambatra
Fa mihanoka hafaliana

AORN
12 MAI 2023
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
320 4
Commentaires
ArantaTsyFoiko ( 31/07/2024 12:06)
tena tsy haiko ny mitia
rina15 ( 31/07/2024 13:41)
Aranta: ka io tsy definition raikitra satria ny olona tsirairay tena manana ny safidim-pony sy ny maha-izy ny fitiavany
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 02/07/2024 05:25
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154