RY MPITONDRA FIVAVAHANA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry mpitondra fivavahana,
mba voahay lay varavarana
moa hanosi-bohon-tanana
reo vahoaka izay tsy manana?

Ry Mpitondra fivavahana
foana ve lay fanavahana
ka tsy misy hialangalana
fa mitovy filaharana?

Ry Mpitondra fivavahana
misy ve lay fampivoarana
ndrao reo vola tolo-tanana
lasana nivily lalana?

Ry Mpitondra fivavahana
ny ahiahy toa hoe tsy hihavanana
fa Hevitr'iza no arahana
sa misy kopaka isasahana?

Ry Mpitondra fivavahana
Ianareo no hitari-dalana
Sady ohatra fianarana
fa ondry maro no fahanana

AORN
03 AOGOSITRA 2025
--------
Lien:
Catégorie : FIVAVAHANA
274 1
Fans: rina15
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121