RY TENINDRAZAKO (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tenindrazako lalaiko
Teny nampiasain’ny Razako
Tiako ianao no sady hajaiko
Fototry ny fahombiazako

Ry tenindrazako tsy foiko
Tsy azoko oharina amin’ny hafa
Mila arovako, koloiko
Na dia maro mpanatsafa

Teny tokana aman-tany
Nahatafita olo-maro
Teny nahitana mamy
Ary tsy mba mifangaro

O ry teniko, tsy indramiko
Tsy voafafan’ny fotoana
Manantombo ianao ry Taniko
Nanana azy teny foana

Fa ny tena kanto indrindra
Rehefa anaty tononkalo
Teny gasy tsara Rindra
Mampiherika mpandalo

Ary tsy izany ihany
Mbola maha-saropiaro
Ny kabary sesilany
Sy ireo hain-teny maro

Ry tenindrazako, ry teniko
Taminao no nivelarako
Aminao fa tsy hafeniko
No hany mbola hamaharako

AORN
03 JONA 2022
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
53 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 26/09/2024 12:10
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154