SARAKA (AORN)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ombao karazan-kira mamentsoventso lalina
Maningotra ny anaty, mamelona tsiahy
Dia gadona mandrotsy sy feo mamanton’alina
Hianohako mangina, mampihetsika fanahy

Dimbiaso tononkalo, ahazoako mankafy
Lay tena mampisento mandoaka ny ati-fo
Venteso anatiny ao ny amboaran’ny fitia
lay mampanembona iny, mahalasa ny ambiroa

Raha vitanao ireo, d'izay no hasambarako
zay hany nangatahako, aleo hivalona any
mba farafaharatsiny, ho tsara no hamaranako
lay diantsika teto, nandrotsaka tomany

AORN
17 AVRIL 2022
--------
Lien:
Catégorie : Embona
240 1
Fans: rina15
Commentaires
rina15 ( 14/08/2024 05:34)
Kanto ilay antsainao azy.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 08/07/2024 14:33
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162