SIDA DANGEREUX (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiritsiritsiritsiritsiah (2 x)
Ty misy resaka tiana ambara
Ka manasa anao mba hihaino tsara
Tsy anganongano na honohono
Fa tena mandrava ary koa mamono
Raha sendra ka tratrany dia mamay
Fa tena aretina manafay
Tsy misy fanafany hatram’zao
K’aleo de mitandrina zah sy ianao
Kidaombaramitak dom dah
Areti-mandoza raha ny Sida

Tsiritsiritsiritsiritsy
Ty misy hafatra tiako ambara
Ka anjaranao ny mandray ny tsara
Aleo mba misoroka dieny izao
F’andrao aoriana hanenenanao
Aretina azo amin’ny firaisana
Ka mailo fa sao de hitondra faisana
Hajao ny eo an-tanana f’aza miova
Sao fahafinaretana hitera-doza
Kidaombaramitak dom dah
Areti-mandoza raha ny Sida

Tsiritsiritsiritsiritsy
Ty misy teny mba tiako ambara
Mba ho anatra ho an’izay ho ao afara
Ny nenina hono tsy aloha ananatra
Ny tena tsy anjely na koa filamatra
Mba dinidiniho ‘zay rehetra atao
F’andrao dia manjary hanenenanao
Aleo mba manaja zay eo an-tanana
Na dia mikidaona aza izato làlana
Kidaombaramitak dom dah
Areti-mandoza raha ny Sida

Ty ny mba teny hamaranako azy
Ka tena serieux fa tsy vazivazy
Raha toa te hamantatra ny ao aorina
Mandehana mba mamonjy fitiliana
Ka tsiritsiritsiritsiritsy
F’areti-mandoza raha ny Sida
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1154 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : megamix
Daty : 13/06/2013 19:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099