TAMBIN'OTA (AORN)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho avy ny fotoana
hialana ety an-tany
moa ho vonona amy 'zany?...

ho adinina avokoa
tsy hisy tsy ho adino
indrindra isika "mpino"

hoe inona no vita?
mihoatra ireo tsy marina
sy tsara izay navarina?

Ho tsiahivina ihany koa
ny toetra ratsy izay niniana
nampitondra fahoriana

Inona no vitanao
ho an'ny havanao akaiky
na ny namanao taraiky...

Fa ankoatra izany moa,
mbola aseho ambatolampy
isika ilay nanompo sampy

tsy ilay doany mahazatra
fa ilay vola namamiana
nolalaina sady tiana

Fa raha tonga izay fotoana
dia tsy maintsy handao ny tany
hifindra lasy am-parany any

Tsy hisy intsony iamaharana
tsy hisy takona ho afenina
tsy hisy andro ialana nenina

reo zay nankamamy ny ota
dia hiafara anaty memy
fahoriana lavareny

tsy azo ialana sy fafana
Tsisy an'iza hifamaliana
fa tambin'ota: fijaliana

AORN
14 JONA 2021
--------
Lien:
Catégorie : ANY ANKOATRA
292 1
Fans: rina15
Commentaires
rina15 ( 02/02/2026 06:30)
Mankasitraka indrindra Ikalamako!! sady miarahaba nahatratra ny taona vaovao koa
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0138