TOLOKON-DRAY (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zanako a!Ialako tsiny indrindra
raha nampitondra anao
zao fahoriana izao
Izaho tsy sanatria
Hanao fanahy iniana
fa misy rafi-piainana
mangidy fa hiafiana
mba tiako ho tsapanao
Ny tanimbarintsika
voatery nototofana
f'izay no teny midina
tsy azo notoherina
na koa nifanarahana
fa didim-panjakana hoe
mivadika lalàna
dia nefa hatramy zao
tsy misy izay mba honitra
takalon'ny natao
fa dia nisiki-ponitra
izato dadanao!
Ny vola am-pelatanana
dia zara raha mahasahana
sakafontsika androany
dia vary iray kaopaka..
angivy sy anamamy
Fa ny tena olako
dia ilay fidiranao
Hianatra an-tsekoly
Handranto taona vao
tsy misy iray voavidy
ny fitaovana entina any
ny sara-pisoratana
tsy misy tokontany
kanefa izay nindramina
milaza fa tsy manana
fa rehefa nozohiana
tsy mety hanolo-tanana
Angamba fara-heriko,
hamidy ilay sarety...
na tsisy tombony aza,
mba vola vetivety
K'aleo mba hiala nenina
ty dadanao torovana
mba tena tsapanao
lay hoe "fadiranovana"
fa raha ny tena marina
tsy tiako ho fantatrao
AORN
01 MEY 2023
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
Fans:
rina15
