TSY HO RAIKI-PITIA (AORN)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba fero ny masoko tsy ho voasarika
Fefeo zany foko aza avela hankafy
Fantsiho zany saiko tsy hanao asa-marika
Raha tojo aminao mba tsy ho raiki-pitia

Sakano ny tongotro mba tsy hisampana
Handeha tsy ho baikona toa ria-mikodàna
Fa mila hisendaotra tsy mahandry tàntana
Entanim-pitiavana Mbola mafàna

Ny vatako mihitsy no ndeha hofatorana
Tsy ho afa-mikofoka intsony amy zay
Ianao zay lalaiko no fototry ny olana
Dia aleoko tsy ho hitako mandrakizay

AORN
12 SEPTAMBRA 2019
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
153 5
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0175