ZANA-JAVATRA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny endrikao dia raitraNy tsikinao manaitra
lay vatanao tomady
Mambabo fo sahady
Jereko ny eto aloha
toa ravaka sy soa
tombanana ato afara
lalovanao dia tara
dinihina mirirana
toa tsara manahirana
fa kanto koa raha kanto
nampianao feo milanto
raha hohariko amin'ny hazo
D'ianao lay voninkazo
Mamoaka zava-manitra
Mampiakatra any an-danitra
angamba tsy ampy kely
raha raisiko hoe anjely
fa maha-sakodiavatra
Toa kanto zana-javatra
AORN
09 MEY 2017
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
rina15
