Ho an'i F... (AZRAEL)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
F... a! Asa, na ho haikoNy hanadino anao...
Fa tsy afaka ato an-tsaiko
Ilay endrikao...
F... a! Asa, na ho haiko
Ny hangina tsy hitoloko
Fa tsy anjarako ianao,
Moa ve hionona ny foko?..
...Asa na ho haiko
Ny hiaina tsisy anao...
Fa tsy vofafa ato an-tsaiko
Ny amintsika hatramin'izao...!
--------
Rohy:
Mpakafy:
Azrael666
