TSIKALAKALAM-PITIA (ROMAN D'AMITIE, AMOUR VACANCE) (AZRAEL)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsikalakalam-pitia no namatotra antsika,F'ianao mbola zaza, ary izaho mbola ankizy,
Kinanjo ankehitriny aho mila hivika
fa lasa fitia latsa-paka ilay izy
Fitia kilalao no saika hatao
Noho ianao tia sangy sy mivazivazy,
Kinanjo nivadika indray amin'izao,
Fa tiako hofaranana amin'ny mariazy
Ny fialan-tsasatra nanan-tantara
Noho isika nihaona sy nifankahita,
Kanefa e! Indrisy, fa ratsy fiafara,
Tsy afa-po tamin'ny nofy aho kanefa izy vita ! (?)
AZRAEL
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
hery