TSIKALAKALAM-PITIA (ROMAN D'AMITIE, AMOUR VACANCE) (AZRAEL)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsikalakalam-pitia no namatotra antsika,
F'ianao mbola zaza, ary izaho mbola ankizy,
Kinanjo ankehitriny aho mila hivika
fa lasa fitia latsa-paka ilay izy

Fitia kilalao no saika hatao
Noho ianao tia sangy sy mivazivazy,
Kinanjo nivadika indray amin'izao,
Fa tiako hofaranana amin'ny mariazy

Ny fialan-tsasatra nanan-tantara
Noho isika nihaona sy nifankahita,
Kanefa e! Indrisy, fa ratsy fiafara,
Tsy afa-po tamin'ny nofy aho kanefa izy vita ! (?)

AZRAEL
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
875 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AZRAEL
Nampiditra : Azrael666
Daty : 01/05/2023 17:03
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141