Omeko làlana ianao (Clarisse Ratsifandrihamanana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omeko làlana ianao rehefa folaka aho, ry aiko,Ka hatolotro anao ny fanefa nolanjaiko,
Tsy izao fa rahatrizay ka ho levona ny tenako,
Ary efa ho tsara katona izay fasan-kilevenako.
Rahatrizay ka tsy eto intsony ny tandidon’ny fijoroko,
Vao izory avokoa ny sori-dàlana natolotro.
Rahatrizay ka efa foana ny halohalon’ny fisiako,
Ary efa sary hadino ny toeran-katoriako.
Raha mbola eto aho ho tena sarotra aminao
Ny hisongona ny anarako,…avelao fotsiny aho !
Hisava làlana ho anao ny taona maro nianarako,
Hanala olana avokoa, hanomana ny hoavinao.
Rehefa folaka aho, ry aiko,
Aza avelanao ho lò ireo voa zay namboleko,
Aza avela ho makiana iny tany izay nasaiko,
Aza avela ho zava-poana ny tantara notefeko,
Aza avela hitsilopy ny fanilo izay narehitro,
Aza avela hirara-boa ny amboara milonjehitro,
Aza avela hiparitaka ny takila izay nangoniko.
Rehefa folaka aho, ry aiko, aza avelanao ho faty
Ny takila izay nangoniko, ny anara-novelomiko,
Fa anaran-draiko izany sy anaran’olon-tiako
Ka mirakitra ny foko sy ny tany niaviako.
Rehefa folaka aho, ry aiko, mandrosoa etsy aloha !
Ny làlana diavinao ho lasan-davitra kokoa,
Ny afo izay arehitrao enga hiredaka kokoa,
Ka ny anaranao, ry aiko, hisongadina kokoa.
Rehefa folaka aho, ry aiko, mandrosoa etsy aloha !
Ny làlana diavianao ho lasan-davitra kokoa.
Homeko làlana ianao rehefa tapitra ny anjarako,
Ka hihoary izay nataoko ka songony ny anarako !
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
