AO ANATIN'NY NOFY ... (Echlie Aichlia Honnie)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AO ANATIN'NY NOFY ...Ao anatin'ny nofy aho no mamisavisa
Sy miaina tô any am-paradisa
Ireo izay ho vinavina
No ahitako ilay tina
Ao anatin'ny nofy
Ao anatin'ny nofy aho no miresak'aminao
Any aho no sahy kokoa
Mifanatrika mivantana ho fihaonan'olon-droa
Ao anatin'ny nofy
Ao anatin'ny nofy aho no saha miteny
Sy hanome ilay valin-teny
Izay nangatahinao
Ho vaovaom-pifaliana ho anao
Ao anatin'ny nofy
Ao anatin'ny nofy no hahita ilay anjara
Handeha hanorina ilay tantara
Sy izay ho fiainan'any aoriana
Feno asambaram-pifaliana
Ao anatin'ny nofy
Ao anatin'ny nofy mivadibadika am alina
Tsy matory sasak'alina
Mieritreritra sy lasalasa saina
Tô teritery tsy mahazohazo aina
Ao anatin'ny nofy
Ao anatin'ny nofy aho mitsiky
Mahita ilay endrika tsy mba kivy
Miramirana foana
Satriko ho eo anoloana
Ao anatin'ny nofy
Ao anatin'ny nofy aho miaina malalaka
Miara mifampitantana
Sy miresaka maharitra
Izay ka tena mahafinaritra
Ao anatin'ny nofy
Ao anatin'ny nofy aho no mahita antsika roa
Hoe:tanteraka tokoa
Mivoady eo ambony alitara
Resy lahatra fa tena ho anjara
Ao anatin'ny nofy
Indrisy fa nofy........
Echlie Aichlia Honnie
Princesse Star Of Jesus (EAHPSOJ)
--------
Lien: