Fitia onjam-baratra (Elysé Azrael)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao nihiratraIlay masom-pitiavako variana sy sondriana,
Dia ny endrikao mamiratra
No nitsena azy tamim-pifaliana
Hany ka raha vao nahita anao aho dia ankona:
Tsy naharay lamba,
Avy hatrany dia nanatona:
Tsy nihambahamba!
Ka diso ve aho raha hitia anao:
Tia anao aho, tena tia?
Dia ho hadisoako ve ny hitalaho
Ny hiaraka aminao doria?
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
Azrael666
