Tena fitia (Elysé Azrael)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voninkazo ihany anie itony raozy-dia,
Kanefa izy androany dia hotazako satria
Hamborahako aminao ny firedan'ny fitia...

Tsotra ihany anie 'reo hira noforonina,
Tsotra koa ny tonony: tsy sarotra tononina,
Kanefa any anatiny ny hafatra ampitaiko,
Dia ianao no mamiko, tiako sy lalaiko

Haingo ihany anie ny firavaka sy peratra,
Mety ho harafesina na dia manjelatselatra,
F'ilay fitia nomeko raha toa ka raisinao
No hampamirapiratra ny foko anatiko ao...
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
26 1
Fans: Azrael666
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0131