Ianao no tiako, iriako, ilaiko (nanandrana nandika ny (Elysé Azrael)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko mety tsy hainao mihitsy,
Fa fony nihaona isika,
Izaho dia vitsy teny
Tsy nahateny mihitsy

Fa tamin'iny ora iny indrindra,
'Lay fitia tsy mifindra
'Zay tao anaty tao
Natolotro ho anao

...Koa raha mbola velon'aina koa aho,
Dia hitia anao:
Ianao no tiako, iriako, ilaiko,
...Manomboka anio, ary ho mandrakizay,
Izaho sy ianao ho iray,
Ianao no tiako, iriako, ilaiko... Sombin'aiko!

Mandalo ihany izao rehetra izao,
Fa ny fitiavako anao
Io ihany tsy mety resy,
Io no tsy mety lefy,

Ianao no anton'ny fisiako,
Ianao ihany no olon-tiako,
Tia, tena tia aho
Mandrakizay doria...
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
102 1
Fans: Azrael666
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114