Mandalo (Era zanaka)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandalo dia mandalo ny andro rehetraMiserana, toa tsy hita mba mitoetra
Toa zavona izy, maraina ihany no hita
Rehefa lasa ireo fotoana, izay dia vita
Mandalo dia mandalo ny andro rehetra
Miroso foana, toa tsy manam-petra
Mandalo tahak'izany ny hasambarana
Hazomina izy, nefa avy eo mifarana
mandalo dia mandalo ny andro rehetra
Faingana tokoa, mahery setra
Toa rivotra izy, heno fa tsy tazana
Ny hanenjika azy ity no tena mazana
Era zanaka
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana