VEHIVAVY FITAOVANA IHANY (ernest2015)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VEHIVAVY FITAOVANA IHANY

Efa hatrany ampiandohana
ka hatrany amin'ny fiafarana
raha vao nisy koa ny tany
vehivavy fitaovana ihany

Raha vao nisy i Adama
nasaina izy nitady akama
nasaina izy nifidy
iray tamin'ireo biby

Nefa tsisy nety aminy
na ny iray teo aminy
fa ny mba tiany ho azy
dia olombelona toa azy

Ka nanamboaran'Andriamanitra
vehivavy iray manjamanja
ho namany ao amin'ny sahan'i Edena
dia i Eva no nekena

Kay iny ilay nanambara
nalain'ny devoly fankam-panahy
nihinana voankazo voarara
ka tafa-jabaka ra lehilahy

Ny vehivavy fitaovana ihany
nohon'izy lasa feno ny tany
ny vehivavy dia fankam-panahy
manimba an'ireo lehilahy

Ernest vohanson
30/01/2016
--------
Rohy:
1521 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141